Sosialy

Vidina PPN midangana Mahazo vava be amin’ny mpanjifa ny mpivarotra


  • Zoma 18 Martsa 2022

Ela ny ela fa mitaraina ny amin’ny vavan’ny mpanjifa mahazo azy ireo mpivarotra enta-madinika eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

Tato anatin’ny herinandro mantsy izao dia tsy mitsaha-niakatra ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro, antony mampivazavaza sy mampimenomenona ny rehetra. Ny vola miditra isan-tokantrano anefa tsy mitombo fa ny eo ihany no eo. Raha araka ny fanadinadiana natao dia ny lafarinina izay nahitana fiakarany 500 Ar ny iray kilao, ny menaka izay niakatra 300 Ar isaky ny litatra, ny siramamy izay niakatra 200 ka hatramin’ny 400 Ar ihany koa ny iray kilao ary ny savony no tena nanao tohivakana ny fiakaram-bidiny tato ho ato. Ho an’ny menaka mbola anaty tavoahangy ohatra raha 8500 Ar ny iray litatra teo aloha dia tafakatra 8800 Ar izany ankehitriny. Niakatra ho 8200 Ar kosa ny iray litatra amin’ny menaka madio anaty barika raha 8000 Ar teo aloha. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra enta-madinika hatrany moa dia hatrany am-potony fakana ny entana mihitsy no mampiakatra ny vidin’entana fa tsy avy amin’izy ireo. Tezitra manoloana izany avokoa ny mpanjifa noho ny fitovian’ny valin-tenin’izy ireo. Misy ihany koa mantsy ireo manararaotra ny zava-misy ka tsy mametraka vidin’entana hita maso fa rehefa mividy ny mpanjifa vao ilazana. Tsiahivina moa fa raha nafana dia nafana teo aloha ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena nataon’ny Ministeran’ny Varotra dia lasa nangina tanteraka izany ankehitriny. Toa tsy mahamaika izao fitondrana mijoro izao mihitsy araka izany ny fandraisana an-tanana ny sosialim-bahoaka izay tena ain-dehiben’ny rehetra. Angamba hiandry ny fipoahana ara-tsosialy izy ireo vao ho tonga saina.
Pati
Legende : Tsy mitsaha-miaka-bidy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT