Sosialy

Vidin-tsolika sy PPN Hanaovy jadona tahaka ny taxibe koa e !


  • Talata 19 Jolay 2022

Iny nanaovana fanambarana sy fandrahonana ny taksibe iny ny famerana ny saran-dàlana eto Antananarivo ho 600Ar, ary tsy misy adihevitra intsony, hoy ny manam-pahefana.

Miditra amin’ny fanenjanana sy jadona fa tsy misy fifandresen-dahatra intsony. Marina fa soa ho an’ny sarambabem-bahoaka ary tsy hoe: miaro ny taksibe na maniry ny hiakaran’ny saran-dàlana raha mametra-panontaniana hoe: izay tokoa ve no ara-drariny sy hisiny raha ampitahaina amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika 1500 sy 1800Ar isaky ny solika? Asa ho an’ny vahoaka io, saingy asa fandraharahana misy fampiasam-bola sy mitady tombony ihany koa. Sao mba tahotry ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy sy ny fahatezeram-bahoaka dia ny mpitatitra no foretina kanefa ny solika midangana izay tsy izy tsy hita izay hanaovana azy? Raha afaka manao izany ihany ny Fanjakana, sao mba tokony hampiharina amin’ny vidim-piainana ankampobeny izany? Ny endriky ny serasera atao amin’izao fotoana izao dia tahaka ny hoe: nampidinina ho 4500Ar sy 5900Ar ny vidin-tsolika raha tokony ho 6000Ar mahery, ny saran-dalàna 800Ar dia nampidinina ho 600Ar ho fitsinjovana ny vahoaka. Somary hoentin’ny sangisangy zary tenany ity resaka ity hoe: raha afaka mandrahona sy manery tahaka izany ihany ny Fanjakana hoe: 100Ar ny fiakaran’ny saran-dalàna azo ekena, nahoana no tsy mba atao tahaka izany aza ny solika hoe: manomboka izao dia hosaziana izay manao vidin-tsolika 4900Ar sy 5900Ar fa manomboka amin’ny zoma tahaka ny taksibe dia fiakarana 100Ar na 200Ar isaky ny litatra no azo ekena? Tahaka izany ihany koa ny fifehezana ny vidim-piainana amin’ny ankapobeny, ny vidin’ny entana ilaina andavanandro (PPN),… Ny zavatra misy eto raha jerena amin’ny fepetra teo aloha, ferana ny vidin’entana tokony ho farany ambony, ary iny no mivadika ho farany ambany avy eo. Tsy ny resaka taksibe ihany ny fiainam-bahoaka, fa manao ahoana ny zotra nasionaly, ny fitaterana any amin’ny faritra hafa,… Sa Antananarivo irery no Madagasikara? Satria ratsy ho an’ny Fanjakana raha Antananarivo no mitroatra dia ezahina alamina sao hipoaka eo ihany ny sarom-bilany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT