Sosialy

Vidin-tsolika Nisondrotra indray


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Hiakatra manomboka anio alarobia 12 septambra indray ny vidin’ny solika eny amin’ny mpaninjara ka lasa 3500 ariary ny litatry ny gazoala , 4150 ariary ny lasantsy ary 2580 ariary kosa ny solika fandrehitra.

 

 

Nisy fitomboana 50 ariary avy na ny gazoala na ny lasantsy na ny solika fandrehitra raha oharina tamin’ny vidiny teo aloha. Ity no fampiakarana vidin-solika fanineniny tamin’ity taona 2018 ity, ny 1 aogositra no nisy fiakarana farany. 12 andro taty aorian’ny fisondrotan’ny saran-dalan’ny taksibe teto Antananarivo izany dia io niakatra io indray ny vidin-tsolika. Ahiana ny hisondrotan’ny saran-dalana ihany koa ho an’ireo zotra nasionaly maro samihafa satria efa maromaro ihany izay fitarainan’ny mpitatitra izay. Ny mpanjifa moa dia  mizaka hatrany ny zavatra tahaka izao izay azo antoka fa tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny vidim-piainana sy ny vidin’entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT