Sosialy

Vidin-tsolika Nisondrotra ary mbola hisondrotra


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Tampoka ho an`ireo mpitondra fiara ny fisondrotry ny vidin-tsolika teny amin`ireo tobim-pamatsiana ny alin`ny alarobia hifoha alakamisy. Nahatratra 50Ar ny fisondrotany.

 

 Vidina 3 400 ariary ny litatry ny gazoala, 4 050 Ar ny litatra amin`ny lasantsy ary 2 480 ariary ny solika fandrehitra ankehitriny. Nambaran`ny talen`ny ofisim-pirenen`ny akoranafo (OMH), Laurent Rajaonarivelo fa 370 ariary no tokony hiampy amin`ny vidin-tsolika eny amin`ny mpaninjara raha toa ka tena hampiharina ny vidiny tena izy na “verité de prix” izay tatitry ny OMH. Eo ny fiakaran`ny barila amin`ny solika, 39%  eo amin`ny tsena iraisam-pirenena nanomboka ny volana oktobra ny taona 2017 hatramin`ny fiandohan`ny volana jona. Tao anatin`izany ihany koa dia nitotongana 9% ny vola Malagasy raha oharina amin`ny vola “dolara. Misy elanelany 9% ny vidiny eo amin`ny tena izy sy ny eny amin`ny mpaninjara solika ka mitarika fahabangana eo amin`ny volan`ireo mpaninjara solika ary ahiana mitombo rehefa amin`ny faran`ny taona. Nohamafisin`ny talen`ny OMH fa tsy anjaran`izy ireo ny mampidina na mampakatra ny vidin`ny solika. Tsy maintsy ifampidinihana amin`ny sehatra rehetra sy ifandresen-dahatra hahitana ny marimaritra iraisana, izany hoe tsy hahafaty ny mpanjifa no hijerena ireo kaompania mpitsinjara solika. Ny mahazatra dia isaky ny voalohan`ny volana no misy ny fisondrotana kinanjo aty amin`ny tapaky ny volana katroka mihitsy no nitrangany tamin’ity indray mitoraka ity.


Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT