Nahitana fiakarany 50 Ar isaky ny litatra indray ny vidin’ny solika eny amin’ireo tobim-pivarotanana izany nanomboka omaly.
Raha 4.150 Ar mantsy ny iray litatra tamin’ny lasantsy teo aloha dia niakatra ho 4.200 Ar ; ny gazoala indray lasa 3.550 Ar ny litatra raha 3.500 Ar teo aloha. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana izany. Ny mahavariana anefa dia efa manomboka miverina amin`ny laoniny ny vidin`ny solika eo amin`ny iraisam-pirenena satria nahitàna fihenana 25 dolara ny vidin`ny barila iray tao anatin`ny roa volana. Nanodidina 62 dolara ny barila iray raha efa nananika 87 dolara izany tamin`ny volana oktobra lasa teo. Ny eo anivon`ny ministeran`ny angovo sy ny akoranafo dia milaza hatrany fa mbola latsaka 900 ariary amin`ny vidiny tena izy ny vidin-tsolika mihatra eto amintsika. Tsy misy izay tsy mikaikaika amin`ny ngidin`ny fiainana amin`izao fotoana izao: mirongatra ny asan-dahalo, miakatra hatrany ny vidim-piainana… Anjaran`ny praiministra Ntsay Christian no manao ny ezaka rehetra mba hitazonana ny tsy fiakaran`ny vidim-piainana, hanome fahafam-po amin`ny vahoaka amin`ny resaka fahasalamana, fitandroana filaminana, fifehezana ny fiakarana`ny vidim-piainana .Mahakasika ny fiainana andavanandro, anjaran`ny fitondram-panjakana no mijery ny vahaolana rehetra mahakasika ny olana sedrain`ny Malagasy. Toa mifantoka fotsiny amin’ny fifidianana anefa ireo tompon’andraikitra ambony eto amin`ny firenena ka adinony ny andraikitra tokony ho raisiny andavanandro.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.