Sosialy

Vidin-tsolika niakatra Hamono vahoaka ny fitondrana..


  • Talata 10 Aprily 2018

Nisondrotra indray ny vidin-tsolika, ka 70 Ar isaky ny litatra izany ho an’ny lasantsy sy ny gazoala ary 30Ar kosa ho an’ny solika fandrehitra.

Tafakatra 4000Ar ny lasantsy, raha 3930Ar teo aloha, 3350Ar ny gazoala izay 3280Ar teo aloha ary 2430Ar ny solika fandrehitra raha 2400Ar teo aloha. Tsy azo hihodivirana ny fiakarana manoloana ny vidin’ny iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny minisitra Lantoniaina Rasoloelison omaly. Mba hitsinjovana ny vahoaka, dia tsy mbola nampiakatra sy nanatratra ny 700Ar takian’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola isika, hoy ny fanazavan’ny mpitondra fanjakana. Ny 01 aprily lasa teo, dia efa nisy fiakarana 90Ar isaky ny litatra ny solika teto amintsika, saingy naverina tamin’ny laoniny ny ampitson’iny noho ny antony tsy fantatra mandrak’androany. Azo antoka fa natao hampitoniana ny saim-bahoaka iny satria tao anatin’ny vanim-potoana mahamay, toy ny fandaniana amboletra ny lalàm-pifidianana isika. Tanjon’ny fanjakana ny hanatratra tsikelikely ilay fampiakarana hatrany amin’ny 700Ar hahatrarana ilay vidiny tena izy na “vérité des prix”, saingy hatao tsikelikely mba hisorahana ny hatezeram-bahoaka. Azo antoka anefa ny hiakaran’ny vidim-piainana vao mihatra io fiakarana io, ary miha mihombo hatrany ny fahoriana sy ny fahatezeram-bahoaka amin’ity fitondrana tsy mahavaha olana ity. Mety mahazaka ny sondro-bidin-tsolika manaraka ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny firenen-kafa fa raha i Madagasikara kosa aloha dia loza amin’atambo ho azy izany na inona na inona fialana bala ataon’ny fitondram-panjakana. Efa iaraha-mahalala fa tsy manam-bola mandavan-taona hanampiana ny mpitatitra izany ny fanjakana koa na ho ela na ho haingana tsy maintsy hiakatra ny saran-dalana dia izay no vita fa tsy hahazo voatabia iray toko intsony atsy ho atsy ny 500 ariary.


 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT