Sosialy

Vidin-tsolika Mila fehezin` ny fanjakana


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Mitotongana ny vidin-tsolika maneran-tany ami`n izao fotoana izao ka tafidina hatrany amin'ny 12 dolara ny barila eo amin`ny tsenam-pirenena.

 

 Tena ambany izany raha oharina tamin` ny volana janoary lasa teo izay 76 dolara isaky ny barila ny vidiny. Tsy mbola miova hatreto ny saran` ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Mamaha olana ny famokarana toby famokarana manokana an` ny Malagasy ankoatra ny fanafarana mivantana izay efa nambaran` ny fitondram-panjakana izany, hoy Radanoara Julien, mpahay ny fifandraisana iraisam-pirenena. “Ianao fanjakana mihitsy no mivarotra amin`ny vidiny tokony ho zakan`ny Malagasy ny solika amin` izay. Tsy misy “subvention” izany. Raha firenena iray ka ny sehatra stratejika toy ny solika sy angovo no eo am-pelatanan` ireo “multi-nationales” dia mifafa izay mpitondra eo na mamim-bahoaka tahak inona aza. satria rehefa tsy tiany dia hidiany daholo ny sehatra rehetra. Tokony mitady lalan-kafa ny fitondrana. Ekena fa “liberalisme” ny eto amintsika ka tsy mahazo mitsabaka amin` ny sehatra famokarana ny fanjakana saingy raha misy krizy dia azon` ny fanjakana atao izany. Any Japon, rehefa ny vary no miakatra ny vidiny dia miditra ny fanjakana mamerina ny vidiny. Atao inona ny fanjakana raha tsy hiaro ny vahoaka.” Raha ny nambaran`ny Ofisy Malagasy momba ny akoran` afo (OMH) dia maro ireo singa hamaritana azy sy ny vidiny isaky ny barila fa eo ihany koa ny saram-pitaterana sy haba ary hetra izay alaina amin` izany. Mifandraika ihany koa amin` ny sandam-bola ariary.

Marigny A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT