Raha ny vidin’ny solintany eo amin’ny sehatra iraisampirenena dia efa latsaky ny 2 dolara amin’izao fotoana izao ny barila.
Mbola tsy hita hatramin’izao anefa ny fiantraikan’izany amin’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Mahagaga ihany io tsy fidinan’ny vidin-tsolika io, raha ny fahitan’ireo mpahay toekarena azy. Hatry ny omaly aloha dia manodidina ny 4100 ariary ny litatry ny lasantsy. 2130 ariary izay solintany izay ary 3400 ariary ny solika. Ireo no vidin-tsolika napetraky ny avy eo anivon’ny ofisim-pirenena misahana izany.Raha ny fanazavana avy ao amin'ny fitondram-panjakana moa dia ny hoe efa tany amin'ny vola desambra 2019, sy janoary ary febroary 2020 no natao ny kaomandin'ireo solika tonga eto sy amidy ankehitriny ka izay no tsy mahatonga azy hoe mihem-bidy.Ny kaomandy natao ny volana martsa sy Aprily kosa izany dia tokony efa ahitana taratra io fidinana io, izany hoe ny solika tonga eto Madagasikara amin'ny vola mey sy jona.Ho hita eo !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.