Sosialy

Vidin-tsolika Mety mbola hitombo 400 ariary


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Niakatra 50 ariary nanomboka omaly ny vidin’ny solika eto Madagasikara.

 

 Betsaka ireo olona no mikaikaika tamin’ny fiakarana sady tampoka no tsy zakan’ireo mpanjifa intsony. Araka ny fanazavana nentin’ny mpahay toekarena Atoa Zafimanitra Andriamiharivolamena dia noho ny politika ara-toekarena roa lehibe samihafa nisy teto Madagasikara mahakasika ny vidin-tsolika no antony. Tamin’ny andron’ny tetezamita dia nofehezin’ny fanjakana izany ary na miakatra na midina ny vidin’ny barila any ivelany na miakatra na midina ny sandan’ny Ariary izay vola Malagasy dia tsy azo nahetsika ny vidina solika teto. Niteraka fihenana na fatiantoka mihitsy ary ho an’ireo mpaninjara solika dia nampihena ny vola miditra anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Marihina fa manodidina ny 30% ny vidin’ny solika alain’ny fanjakana. Amin’izao vanim-potoaana ankehitriny izao kosa anefa dia hafa indray ny politika ara toekarena noraisin’ny fanjakana satria dia tsy maintsy manenjika ny vidiny marina na ny “verité des prix” isika. Raha ny kajy nataon’ity mpahay toekarena ity ihany dia mbola hiakatra hatramin’ny 400 ariary izany. Tsy misy afa-tsy ny vahaolana maharitra dia ny famokarana ny solika eto Madagasikara izay tsy tokony hofehezin’ireo orinasa matanjaka sy firenena vahiny fa mba ny tombontsoa ho an’ny Malagasy no kendrena. Eo ihany koa ny fampiasana ny angovo azo hasolo azy.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT