Mampikaikaika ny mpanjifa hatrany ny vidin-tsolika misy eto Madagasikara. Misondrotra foana ary rehefa mba midina dia zara raha milatsaka ka tsy mipaka amin’ny sarambabem-bahoaka izany.
Azo lazaina ho ambany ihany anefa ny vidy hiaingana (prix de référence) satria raha ny lasantsy sy ny solitany fandrehitra ary ny gazoala dia manodidina ny 2000 Ariary eo ho eo daholo farafahabetsany ny litatra. Tsy tonga 1000 Ariary isaky ny litatra akory ny saran’ny fitaterana sy ny fitahirizana ary ny fitsinjarana. Araka izany dia ny hetra sy ny haba alain’ny fanjakana no mampiakatra ny saran’ny solika, indrindra ny lasantsy izay mahatratra hatrany amin’ny 1500 Ariary latsaka kely isaky ny litatra, manome 35% farafahakeliny amin’ny vidiny. Ambony be ny hetra sy ny haba sintomin’ny fanjakana raha ny tarehimarika no jerena ary tokony ho azo hahitsy ihany mba ho fisinjovana ny tombontsoan’ny Malagasy. Etsy an-daniny, nilaza ihany koa ny mpahay sady mpampianatra toekarena iray fa miteraka fiakaran’ny solika hatrany ny fanafaran’i Madagasikara ireny fiara raitra be sady mihinan-dasantsy na gazoala ireny. Voakasika manokana ireny fiara ampiasain’ny tompon’andraikitra ambony maro eto amin’ny firenena ireny izay tena mitroka be. Tsy mariky ny fahantrana ny fampiasana fiara tsotra tsy mihinan-dasantsy fa fitsinjovana ny vahoaka saingy tarazo efa mipetraka koa ny fisehosehoana eo amin’ny mpitondra ka tahaka ny farahidiny izy raha tsy mitaingina ireny fiara lafo vidy sady mandany be hafarana ireny. Hany ka mirehareha ny OMH (Office Malgache des Hydrocarbures) fa tsy hampihena ny fanjifana mihitsy ny fiakaran’ny vidin-tsolika.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.