Sosialy

Vidin-tsolika eto Madagasikara Hidangana be noho ny fampiharam-bidy tena izy…


  • Talata 02 Aprily 2019

Hatolotra ny governemanta anio talata 2 aprily ny tolo-kevitra mahakasika ny fametrahana vidin-tsolika tena izy na ny « vérité des prix ».

 

 

Ny 1 jona farafahatarany ny fampiharana azy io. Lafin-javatra 3 no tsy maintsy jeren’ny minisiteran’ny angovo amin’io. Voalohany amin’izany ny vidin-tsolika zaka sy eken’ny sarambabem-bahoaka, tsy mamono antoka ny mpandraharaha eo amin’io sehatra io, ary tsy misy fanentseham-bidy na fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana. Marihina fa efa in-dimy no tsy nahomby ny dinika niarahana tamin’ny mpandraharaha ny solika, izay mifehy tanteraka an’io. Sahiran-tsaina tanteraka ny fanjakana eo anatrehan’io, ary tombanana mbola hiakatra bebe kokoa noho ny ankehitriny ny vidin-tsolika, raha ny zava-nisy tany amin’ny fanjakana Rajaonarimampianina no iaingana. Tamin’ireny fotoana ireny no efa nisian’ny fiakarana saika isam-bolana, dia mody haidina kely rehefa mimenomenona ny vahoaka. Nambara tamin’ny fotoana faramparan’ny fanjakana Rajaonarimampianina fa tsy ny vidiny tena izy io ankehitriny io fa mbola mihoatra lavitra. Fepetra napetraky ny mpamatsy vola moa ny hialan’ny fanjakana amin’ny fanampiana ara-bola ny orinasam-panjakana. Sarotra araka izany ny hahatanterahan’ny fepetra miisa telo tokony harahina, dia ny vidin-tsolika zakan’ny rehetra, tsy mamono antoka ny mpandraharaha, ary tsy misy fanentsenana ara-bola ataon’ny fanjakana. Matoa nisy ny fanentsenana ara-bola, dia tokony ho ambony lavitra noho izao izany io raha mijanona ilay fanampian’ny fanjakana. Miankina amin’ny vidin-tsolika iraisam-pirenena io raha ny tokony ho izy. Tsy tena hita ny fisian’ny fifaninanana eo amin’ny tsena raha ho an’ireo mpandraharaha ny solika eto amintsika, fa mifampiresaka sy mitsikombakomba. Misy ihany koa ny hetra alaina amin’ny solika mirotsaka any amin’ny kitapom-bola ho an’ny fikojakojana ny lalana (FER). Asa anefa na mandeha amin’ny tokony ho izy na tsia izy ireny raha jerena amin’ny fahapotehan’ny lalana eto amintsika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT