Sosialy

Vidin-tsolika eto amintsika Andrasana ny fepetra vaovao…


  • Alakamisy 24 Martsa 2022

Miditra amin’ny andro faha 29 amin’ity anio ity ny fifandonana ara-tafika eo amin’I Rosia sy Okrainina miaraka amin’ny vondron-tafika OTAN.

Tsy idirana lalina intsony aloha eto hoe manao ahoana ny fipetrak’ilay ady? Hanohy ny “mody mitapy” efa nataony hatrany am-boalohany ka tsy hanao afa-tsy fanohanana ara-pitaovana toy ny famatsiana fitaovam-piadiana sy fanagiazana ara-toekarena ve ny tandrefana amin’ny alalan’ity OTAN ity sy ny vondrona eoropeanina sy ireo firenen-kafa milaza ho manameloka an’I Rosia ary manohana an’I Okrainina sa sanatrian’izany tena hamatsy ara-kolona na tafika ihany koa? Tsy any loatra angamba aloha no tokony ipetrahan’ny olana eto amintsika amin’izao fotoana izao fa ny hoe raha ny tombana mikasika ny tahirin-tsolika eny amin’ireo tobin-tsolika eto amintsika izany izao dia maharitra 3 volana eo ny tahirin-tsolika eto Madagasikara. Tsy hitahita dia ho tonga izany 3 volana izany saingy etsy ankilany koa na eo aza io resaka tahiry io dia tsy azo ferana koa ny ho fisian’ireo mpanangon-tsolika mialoha na ilay antsoina mahazatra hoe mpanao “speculation”. Mampanahy fatratra, raha izay izany no fandehany, ny mety tsy hahatodiana amin’izay 3 volana izay akory dia efa mety ahitana fiakaran’ny vidin’io solika io. Hatreto anefa mbola tsy hita mazava hoe inona no fepetra raisin’ny fitondram-panjakana Malagasy hisorohana izany? Hampihatra ny atao hoe vidiny tena izy na “vérité des prix” ve sa hameno ny banga mba tsy hihetsehan’io vidiny amin’izao fotoana izao io? Andrasana ny fepetra. Andrasana hatramin’izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT