Sosialy

Vidin-tsaribao Tsy nahazo intsony 100 Ar, lasa 500 Ar ny famarana


  • Alatsinainy 09 Aogositra 2021

Tsy mitsahatra ny miakatra ny vidim-piainana eto amintsika. Ankoatra ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka….

izay efa tena mampiteny irery ny isan-tokantrano tokoa dia anisan’ny nahitana fisondrotany izaitsizy ihany koa ny harina fandrehitra tato ho ato. Ny 80%-n’ny tokantrano Malagasy anefa no mampiasa azy io, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Lasa tsy mahazo iray famarana intsony ohatra ny 100 Ar fa 500 Ar vao mahazo eny amin’ny mpivarotra saribao maro, na dia misy ihany aza ireo mbola mamindra fo. Tsy mahamasaka vary soa kely akory anefa izany dia lany ka mila hahatratra ho 3.000 Ar isan’andro ny saribao vidian’ny tokantrano iray vao ampy. Raha tsiahivina moa dia vokatry ny fidangan’ny hetra sy ny haba alain’ny ministera amin’ireo mpamokatra saribao no antony mampidangana ny vidin’ity akora fandrahoan-tsakafo ity.Manampy trotraka izany ny fanararaotana hataon’ireo mpijirika.Ampy tsara anefa ny filana anatiny ary ny vidiny any amin’ireo mpamatsy saribao any am-potony tsy miakatra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT