Vidin-tsakafo etsy Sabotsy Namehana

Efa avo roa heny amin’ny eto Antananarivo renivohitra


  • Talata 20 Aogositra 2024

Tsy miala lavitra an’Antananarivo renivohitra fotsiny fa kaominina hafa manodidina toy ny etsy Sabotsy Namehana

dia efa avo roa heny amin’ny aty an-drenivohitra na maherin’izay aza ny vidin-tsakafo. Velon-taraina mihitsy ny renim-pianakaviana iray izay vao nifindra monina eny an-toerana, volana vitsy lasa izay. Raha mbola azo atao, hoy izy, ny miakatra any an-drenivohitra no miantsena dia aleo any rehefa manam-potoana. Ny vidina Brokolia na «Brocolis» iray izao aty 3500 Ariary nefa eny Andravoahangy mbola 1500 Ariary. 2000 Ariary aty, atsasan-kilaona frezy no azony nefa any an-drenivohitra 1 kilao. Ny vidin’Akondro ihany angamba no mba itovian’ny aty sy any an-drenivohitra, hoy hatrany ity renim-pianakaviana ity. Ny kilaon’ny akoho aty Sabotsy 30.000 Ariary nefa eny Besarety mbola 20.000 Ariary na 24.000 Ariary fara faha lafony, hoy kosa ny raim-pianakaviana iray. Anana sy salady moa, amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana voaray, no tena vokatra eny amin’ity kaominin’Ambanivohitra anaty distrikan’Avaradrano ity. Saika eny Anosibe avokoa no fakan’ny ankamaroan’ireo mpivarotra eny an-toerana entana, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT