Sosialy

Vidin-kazo Ahiana hiakatra avo roa heny…


  • Zoma 22 Febroary 2019

Tsy mbola misy fiantraikany mivantana amin`ny mpanao fanaka sy mpivaro-kazo ny fanapahana navoakan`ny minisiteran`ny tontolo iainana sy ny ala tamin`ny 29 janoary lasa teo, izay mandrara ny fanapahana hazo eto amintsika.

 

 

Mbola betsaka ny tahiry amin`ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana satria hazo maro be no natokana amin`ny fiatrehana ny fahavaratra mba hisorohana ny mety tsy ho fisiana tampoka raha toa ka taraiky anaty ala ny hazo. Rehefa vanim-potoana toy izao miakatra ny vidin-kazo noho ny faharatsian`ny lalana izay mampiakatra ny vidin-kazo any am-potony. Araka izany, ahiana hiakatra avo roa heny raha lany ny tahiry sady tsy afaka manapaka hazo intsony, hoy hatrany ireo fanazavana azo. Miantraika any amin`ny mpanao fanaka ihany koa ny fahavoazana ka ny mpanjifa no hiharitra izany. Mipetraka ihany ny fanontaniana: nijery ny lafiny toekarena ve ireo tompon’andraikitra mahakasika io fanapahana nivoaka io ? Marihina fa sehatra maro no mivelona amin`ny fampiasana hazo toy ny mpivarotra saribao, ny mpanao trano sy asa vaventy, ireo mpivarotra hani-masaka, ireo trano fisakafoanana avo lenta (pizzeria…) Tsara ny manamarika fa 98%-n`ny mponina eto Madagasikara dia mampiasa saribao raha ny tatitra avy amin`ny INSTAT tamin`ny taona 2015 ka raha zohina dia mety nitombo ny salan`isa. Vitsy rahateo no mahatakatra etona fandrehitra (bouteille à gaz) eto amintsika. Ny hazo rahateo dia filàna tsy afaka misaraka amin`ny Malagasy ka tokony handray fanapahan-kevitra farany izay haingana ny minisitera mpiahy mahakasika an`io sehatra iray io.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT