Tsy hisy fiakarany intsony aloha ny vidin-jiron’ny JIRAMA amin’ity taona 2018 ity, hoy ny minisitry ny angovo Rasoloelison Lanto, tamin’ny mpanao gazety omaly.
Miankina amin’ny fandanian’ny tsirairay amin’izay, araka izany, no mety hampiakatra ny vidin-jiro na tsia manomboka izao. Mandrapahatapitr’ity taona ity mantsy dia hijanona ho 585 Ar ny hamarotan’ny JIRAMA ny herinaratra 1 Kwh ho an’ny isan-tokantrano raha 885 Ar no hividianany izany. Mahatratra 320 Ar isaky ny Kwh ny fatiantoka miditra amin’ny orinasa JIRAMA isaky ny herinaratra 1 Kwh hamidy, hoy hatrany ity minisitra ity, antony nahatonga azy ireo hangataka ny fampiakarana ilay tetibola hampiasainy nandritra ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana farany teo teny Tsimbazaza. Raha mbola nahatratra 350 miliara Ar mantsy izany tamin’ny taona 2017 dia nihena ho 300 miliara tamin’ny taona 2018. Nanamafy ny minisitra fa miankina betsaka amin’ireo toerana vaovao hamokarana herinaratra eto amintsika ny fanampiana omen’ny fanjakana azy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.