Sosialy

Vidin-javatra andavanandro Manomboka ny fanararaotana


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Araka ny efa nampoizina, raikitra ny fanararaotana taorian’ny olana sedrain’ny firenena noho ny loza voajanahary.

 

 

 Niteraka olana maro, toy ny fahatapahan-dalana izany, saingy efa manomboka mivaha tsikelikely ny olana. Etsy an-daniny, raikitra ny fampiakarana vidin’entana na dia efa namoaka fanambarana aza ny fanjakana. Nambara mihitsy tao anatin’io fa tsy azo atao ary heloka sy azo henjehina amin’ny lalàna ny fampiakarana tsy ara-drariny ny vidin’entana. Tsy izay no miseho any Tsaratanàna fa tafiakatra hatrany amin’ny 1000-1100Ar ny kapoakan’ny vary amin’izao. Manao antso vonjy noho izany ny mponina. Efa misy ny fidinana ifotony ataon’ny mpanara-maso avy amin’ny minisiteran’ny varotra, hisian’ny fanamarinana momba ny vidin’entana sy ny fitaovam-pamarana na fandanjana. Misy ny fepetra mila hajaina toy ny fametrahana ho talaky maso ny vidin’entana.  Raha ny famokaram-bary dia voadona ireo sompitra lehibe tamin’ity taona ity (Marovoay, Alaotra, Ambatoboeny). 200.000 taonina ny mbola fahabangana amin’ny famokarana eto, ka hanafarantsika vary avy any ivelany. Heverina hitombo io fahabangana io noho ny fahasimbana natrehina teo. Mila manana paikady hahafaha-mifehy an’io ny fanjakana.

Toky R

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT