Sosialy

Vidin-dranon’ny JIRAMA Hiaka-bidy amin’ny 2019


  • Talata 12 Jona 2018

Hiakatra 3 ka hatramin’ny 4 Ar ny iray litatra amin’ny vidin-dranon’ny JIRAMA manomboka amin’ny taona 2019 raha mbola mijanona ho 0,5 Ar amin’izao.

 

Ny mba hahafahan’ity orinasa iray ity manatsara ny kalitaon’ny rano fisotro madio haparitaka ho an’ny mpanjifa any an-tokantrano  sy hahafahana manavao sy manatsara ireo fitaovana miasa no tanjona, hoy ny tale jeneraly lefitra Atoa Randriamanana Henry. Tsy mba misy mpamatsy vola toy ny fahazoana herinaratra mantsy ny famatsiana rano fisotro madio ka tsy maintsy hitadiavana hevitra.  Mbola hakana ny hevitry ny sarababem-bahoaka anefa vao azo tanterahina. Mikasika ilay tsy fahampian’ny  mpiasan’ny JIRAMA mandeha mitety tokantrano manara-maso ny kaontera  mijery ny fandaniana  isam-bolana  moa dia miantso ny mpanjifa mba hanao izany ho an’ny tenany ny JIRAMA  hahafahana mamoaka faktiora ho azy ireny. Anisan’ny antony nahatara ny fahatongavan’ny fakioran’ny JIRAMA teo aloha ho an’ny isan-tokantrano io. Hisy ny fampianarana hatao eny am-piandohana raha ao anatin’ny 30 andro katroka kosa no hijerena ny fandaniana amin’ny alalan’ny kaontera.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT