Vidin-drano eny Ankadindravola

Ivato Mahalany an’hetsiny isam-bolana ny olona


  • Talata 19 Septambra 2023

Efa volana maro indray izao no tapaka tanteraka ny famatsian’ny JIRAMA rano fisotro madio ireo mponina ao amin’ny Fokontany Ankadindravola, kaominina Ivato.

Hifampitadiavana mafy izany izay efa mahatratra 1.000 Ar ka hatramin’ny 1.500 Ar ny iray bidon miloko mavo. Tena mahatsiaro mijaly araka izany ireo mponina any an-toerana. Efa mahatratra 2 hetsy Ar isam-bolana mantsy ho an’ny sasany ny vidin-drano iray volana, ahitana olona 5 mianaka eo ho eo izay lafo noho ny hofantrano indray.Ny rano anefa no fototry ny aina. Ankoatra izay dia fantatra fa mampikolay fatratra ireo mponina eny an-toerana ihany koa ny fiakaran’ny vidim-piainana isan’andro. Lohalaharana amin’izany ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay mila tsy ho araka intsony. Efa misy 1.000 Ar ohatra ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary, 700 Ar ny labozia lehibe iray, 500 Ar vao mahazo harina fandrehitra iray famarana…., fiakaran’ny vidim-piainana izay iraisan’ny tokantrano Malagasy rehetra amin’ny ankapobeny. Efa ho 3 taona mahery moa izao no efa tsy zarizary ny famatsiana rano avy amin’ny orinasa JIRAMA tao amin’ity Fokontany iray ity koa hanaovan’ny mponina antso avo amin’ny tompon’andraikitra. Nangonin’i Pati
Legende : Ankoatra ny jiro dia olana ihany koa ny famatsian-dranon’ny JIRAMA eto Antananarivo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT