VIDIM-PIAINANA TSY MITSAHA-MIAKATRA

500 Ar ny voatabia iray tamin’ny fetin’ny paska


  • Talata 22 Aprily 2025

Nanararaotra fatratra ireo mpivarotra teto an-drenivohitra sy ny manodidina nandritra ny fankalazana

ny Fetin’ny Paska teo. Saika nahitana fiakarany avokoa mantsy ny vidin’entana teny an-tsena nanomboka ny Sabotsy 19 Aprily ka hatramin’ny omaly Alatsinainy 21 Aprily. Ho an’ny voatabia ohatra dia tafakatra 500 Ar ny singany iray izay tena nampikolay ny maro tokoa raha 200 Ar teo aloha. Nambaran’ireo mpivarotra fa hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidin’ny voatabia izay efa mahatratra 100.000 Ar ny iray kesika amin’izao. Toraka izany koa ny atody izay efa nahatratra 900 Ar ny iray ho an’ireo mpivarotra sasany. Tafakatra 20.000 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny akoho fakana nofony….Toy ny tsy vola ny 20.000 Ar nentina teny an-tsena tamin’ny fety teo. Hialan’ny vary 4 kapoaka sy ny laoka kely dia efa vita, tsy misy tsindrin-tsakafo na ranom-boankazo kely akory. Nambaran’ireo olona sendra anay moa fa ny niala tamin’ny mahazatra fotsiny ihany no natao nandritra ny fankalazana ny Fetin’ny Paska teo fa tsy nisy ny fandanianabe natao na ny teti-bola manokana. Raha tsy dia mahita hena firy amin’ny andavanandro dia mba nahandro hena kely ho an’ny ankizy, niampy lasary sy ody ambavafo kely toy ny koba dia vita.
Pati
Legende : Nanararaotra fatratra ireo mpivarotra sakafo tamin’ny fety !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT