VIDIM-PIAINANA TAO ANATIN’NY 2 TAONA

Tsy mitsaha-miakatra, mihasahirana ny Malagasy


  • Alatsinainy 10 Febroary 2025

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana eto amintsika. Misy elanelany be mihitsy ny fiainana niainan’ny Malagasy

tamin’ny 2 taona lasa sy ny ankehitriny. Raha mbola nahazo saribao iray famarana ohatra lela-vola 200 Ar tamin’ny taona 2023 dia efa tafakatra 500 sy 600 Ar izany ankehitriny. Toraka izany koa ny anana. Raha mbola nahazo anana tapaky ny harona ny 500 Ar tamin’ny 2 taona lasa ampy ho an’olona 4 mianaka mandritra ny tontolo andro dia efa iray fehezana sisa izany ankehitriny. Efa mahatratra 1200 Ar ihany koa ny iray kapoaka amin’ny vary amin’izao raha mbola nisy 900 Ar tamin’ny 2 taona lasa….Ny vovon-tsira amin’ny sachet plastika sisa no mba mora eny an-tsena amin’izao. Mihalalina vokatr’izany ny fahasahiranan’ny Malagasy. Ny karama raisina isam-bolana anefa tsy mitombo raha mandeha mafy toy ny fiara voky hery etsy an-daniny ny fidangan’ny vidim-piainana. Saika mahita faisana vokatr’ity fiakaran’ny vidim-piainana ity avokoa ny rehetra eny hatramin’ireo mpivarotra enta-madinika. Raha 1 gony isan-kerinandro mantsy ny fotsim-bary tokony alain’izy ireny hoamidiny dia nihena ho tapa-gony sisa izany amin’izao noho ny tsy fisian’ny mpividy. Mihena ihany koa mantsy ny vary hohanin’ny tokantrano Malagasy ka ny hariva ihany sisa no tsy maintsy voky ny kibo fa ny maraina sy ny atoandro tsy misy resaka intsony. Mety hanao ahoana araka izany ny fiainana hiainan’ny Malagasy amin’ny taona 2027 any ho any raha izao no mitohy ?
Pati
Legende : Tahaka izao ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena tao anatin’ny 2 taona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT