Vidim-piainana

Niakatra 7,1% tao anatin’ny herintaona


  • Alakamisy 14 Martsa 2024

Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Nahatratra 7,1%

ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-pianana ny janoary 2023 hatramin’ny janoary 2024, raha ny antontan’isa navoakan’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny statistika na ny INSTAT. Ho an’ny vidim-bary manokana, nahatratra 7,9% ny tahan’ny sondro-bidiny, raha toa ka 7,6% kosa ny entana ilaina andavanandro amin’ny ankampobeny na ny PPN sy ny vokatra ara-tsakafo sy ny zava-pisotro misy alikaola. Nahitana fiakarany 6,3% ihany koa ny angovo. Tafakatra hatrany amin’ny 11,0% kosa ny tontolon’ny tao-trano sy ny fampitaovana sy ny fikojakojana mifandraika amin’izany. Tafakatra hatrany amin’ny 9% ihany koa ny fiakarana teo amin’ny tontolon’ny fifandraisan-davitra, raha ny antontan’isan’ny INSTAT, izay notaterin’ny fampahalalam-baovao. Ny antontan’isa amin’ny ankampobeny izany, fa rehefa tena jerena sy dinihina amin’ny zavatra iainan’ny mponina amin’ny andavanandro, dia tena mihatra aman’aina ny sondro-bidim-piainana. Tena tsy mitsaha-midangana isan’andro, toy ireny fanamarihana mandeha ireny fa siramamy 5800Ar ny kilao herinandro lasa kanefa efa 6000Ar. Ampahany izany, fa ny menaka novidiana 5000Ar tany amin’ny 5 taona lasa efa maherin’ny 10000Ar ankehitriny. Toy izany ihany koa ny savony, voamaina, eny fa hatramin’ny anana aza. Ny fahefa-mividin’ny vahoaka miha milentika noho ny fahantrana sy fihemorana ara-toekarena, ny sandam-bola mitotongana kanefa tsy misy politika ara-toekarena sy ara-pamokarana hiatrehana izany fa mbola ny fanafarana entana no mibahan-toerana,… Toa sarotra amin’ny mpitondra anefa ny hiaiky fa tsy mahomby izy, miha milentika ny firenena,… kanefa dia mbola fiheboheboana no setriny raha tsy hampahatsiahy an’ilay hoe : nahay nitantanana eo anatrehan’ny sandan’ny Euro efa 5000Ar fa raha tsy nahay nitantana dia efa 10000Ar io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT