Vidim-piainana

Niakatra 10 ka hatramin’ny 50% ny PPN


  • Talata 16 Janoary 2024

Niakatra 10 ka hatramin’ny 50% ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny

fiainana andavanandro na ny PPN. Hatramin’ny tapaky ny volana Desambra taona 2023 teo no mankaty no tena nahitana taratra izany. Tsy misy izay tsy niakatra ny vidin’ny kojakoja rehetra. Raha 200 Ar ohatra ny sira iray fonosana teo aloha dia efa 300 Ar amin’izao. Raha mbola nahazo atody iray ny 500 Ar teo aloha dia efa 750 na 800 Ar amin’izao. Toraka izany koa ny siramamy izay efa lasa 5.500 Ar ny iray kilao, ny farilaka ho an’ny ankizy izay efa lasa 1.800 Ar ny iray fonosana amin’ilay kely raha 1.200 Ar teo aloha, ny ronono amin’ny boaty izay efa lasa 6.000 Ar latsaka koa ny iray raha mbola nahazo 5.000 Ar teo aloha, ny vinaingitra amin’ny sachet plastika izay niakatra ho 200 Ar koa ny iray raha mbola 100 Ar teo aloha…Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ireo mpivarotra dia nambarany fa hatrany am-potony mihitsy no miakatra. Fanontaniana mipetraka araka izany ny hoe : mba misy fanaraha-maso hataon’ny Ministera tompon’andraikitra ihany ve eny anivon’ireny mpivarotra enta-madinika maro isan-tsokajiny eto amintsika ireny. Efa tena mihoampampana loatra mantsy ilay fiakaram-bidy no sady tsy mpivarotra iray no mampihatra azy fa saika izy rehetra mihitsy. Tsy maharaka amin’ny fiatrehana ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro intsony ny paosin-dRamalagasy noho izany antony mampihena ny sakafo hohanina isan’andro ao an-tokantrano ao.
Pati
Legende : Midangana isan’andro ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT