Vidim-piainana midangana

Tafakatra 6000 Ar ny iray kilao amin’ny karaoty


  • Talata 27 Febroary 2024

Ankoatra ny vidim-bary izay efa mahatratra 1050 Ar ny iray kapoaka

ankehitriny eny an-tsena dia miaka-bidy andro aman’alina ihany koa ny vidin’ny legioma. Mila tsy ho takatry ny tokantrano Malagasy intsony izany. Ho an’ny karaoty ohatra dia efa tafakatra hatrany 6000 𝙖𝙧𝙞𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙞𝙧𝙖𝙮 𝙠𝙞𝙡𝙖𝙤 𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙩𝙤𝙖 𝙠𝙖 𝙢𝙗𝙤𝙡𝙖 3000 𝙖𝙧𝙞𝙖𝙧𝙮 𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙡𝙖𝙣𝙖 𝙙𝙚𝙨𝙖𝙢𝙗𝙧𝙖 taona 2023. Isan’ireo nahitana fiakarana ihany koa ireo karazana ravi-maitso fampiasa amin’ny sakafo toy ny kotomila izay tafakatra 20.000 Ar ny hakana fehezana iray eny am-potony raha ny fanadihadiana natao. Ho an’ny voanjobory indray dia miziririzy eo amin’ny 1500 Ar hatrany ny iray kapoaka…Nambaran’ireo mpivarotra moa fa hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidim-bary sy ny vidin’ny legioma vokatry ny haratsian-dalana fa tsy izy ireo no manararaotra.
Pati
Legende : Lafobe ny legioma amin’izao eny an-tsena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT