Sosialy

Vidim-piainana miakatra Mangina ny Malagasy


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Efa mananika ny 8% ny fiakaran’ny tahan’ny vidim-piainana. Tsy misy izay tsy miaka-bidy ny zavatra rehetra eto Madagasikara.

 Rehefa avy nijafajafa tamin’ny vidim-bary ny Malagasy dia niditra sedra manaraka indray. Niakatra ny fanafody ka nanjary lasa kitoatoa ny fitsaboana. Taorian’izay dia nomontsanina tamin’ny fiakaran’ny faktioran’ny JIRAMA indray izy. Ny solika koa aza moa nisondro-bidy indray. Manoloana izany rehetra izany anefa dia tsy nisy aloha ny fiakaran’ny karama izay efa nandrasana mafy tamin’ny voalohan’ny taona. Maro ireo miaina isan’andro ilay “hohanina anio tadiavina, ny ampitso” ihany koa. Tena atao tsy mahatraka intsony ny Malagasy fa iniana ampahantraina. Eo anatrehan’izany fahasahiranana rehetra mianjady izany dia mangina tanteraka ny maro. Inona re no antony e ? Tsy manana hery intsony izy ahafahana manohitra fa dia manaraka ny onjan’ny fiainana eny sisa. Raha mba misy aza moa te hitsangana hitarika an-dalambe dia efa fantatra fa ho tratran’ny antsojay sy ny baomba mandatsa-dranomaso indray. Mimonomonona sy mifampitaraina sisa no zary fanehoany ny hatezerany manoloana ny fisandratana mirindran’ny vidim-piainana. Ny fifidianana izay antenaina atao hanovana izao ngidin’ny fiainana izao aza moa mbola mampiteraka fisalasalana ihany koa ny fanatanterahana azy. Mangina ny Malagasy saingy feno fery anaty. Maratra ny fony, simba ny sainy, ketraka ny vatany. Ho loza anefa rehefa hipoaka io ary efa manakaiky mankany amin’izany ny raharaha.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT