Miakatra andro aman’alina ny vidim-piainana eto amintsika. Raha somary nahitana fihenany kely ny vidim-bary dia any amin’ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro indray no tena ahitana izany toy ny menaka, ny siramamy, ny savony…
Tsy vitsy araka izany ireo matahotra sy miahiahy fa raha mbola mitohy lavareny io grevy tanterahina etsy amin’ny kianja 13 mey sy any amin’ny faritra izao dia tsy fantatra intsony izay mety hiafaran’ny fiainan-tokantranon’ny Malagasy. Vao mainka nahazo vahana rahateo ireo mpivarotra hatramin’ny nampiakaran’ny fitondram-panjakana ho 8 % ny karaman’ny mpiasam-panjakana izay marihina fa 3 tapitrisa monja amin’ireo vahoaka Malagasy 24 tapitrisa. Iaraha-mahalala fa rehefa mitombo ny vola am-pelatanana dia mitombo ho azy ny fandaniana ary izany anefa dia miteraka fampiakaran’entana. Ho an’ny savony minosy, ohatra, dia lasa 300 Ar no hakan’ny mpivarotra ny iray azy any am-potony raha 270 Ar teo aloha. Voatery mivarotra 350 Ar amin’ny mpividy, araka izany, ny mpivarotra. Ho an’ny siramamy indray dia tafakatra 108 000 Ar ny iray gony raha 104 000 Ar teo aloha. Ho an’ny menaka indray raha 4.500 Ar ny vidin’ny iray litatra teo aloha dia lasa 4.750 Ar volana iray lasa izay satria dia efa niakatra ho 5.000 Ar indray ny vidiny ankehitriny ka tsy maintsy hamidy 5.400 Ar isaky ny litatra. Velon-taraina avokoa ny rehetra. Santionany amin’izany ireto sendra ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Atoa Billy : Raha mitohy aloha izao grevy izao dia tena hisy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka mihitsy e ! Raha tokony hiantsena ireo mpigrevy ireo nefa tsy manao izany izy fa migrevy koa dia tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fidiram-bolan’ireo mpivarotra izany na ho ela na ho haingana.
Rtoa Saholy : Ny ahy ilay mpianatra no tena mampalahelo ahy. Misy ireo tsy afaka mianatra vokatr’io grevy io. Raha hikarakara taratasim-panjakana koa nefa tsy mahita mpiasa any amin’ny birao dia olana hafa ihany koa izay ankoatra ny tsy fandehanan’ny asa amin’ny andavanandro.
Pati sy Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.