Nisy fiakarany hatrany ny vidim-piainana nanomboka ny volana martsa, araka ny tatitry ny Ivon-toerana nasionaly momba ny antontan’isa (INSTAT).
Tafahoatra ny 5% ny fiakarana tao anatin’izany fotoana izany. Mbola mitoetra ary ambony ny risika amin’ny hiakaran’ny vidin-javatra hatramin’ny volana desambra 2021, ary ahiana hihamafy kokoa amin’ny vanim-potoana toy izao, ka isan’ny antony ny fiakaran’ny filàna, raha ny fanadihadian’ny INSTAT. Ho an’ny jona 2021 teo, nahatratra 6,1% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana mitaha ny tamin’ny jona 2021. Ny vary sy ireo entana ilaina andavananandro (PPN) sy ireo vokatra ara-tsakafo no isan’ny tena niakatra. Nahatratra hatrany amin’ny 8% eo ho eo aza ny fiakarana ho an’ny PPN sy ny vokatra fihinana tamin’ny ankampobeny. Ho an’ny ara-pahasalamana kosa, dia tafikatra hatrany amin’ny 11%. Mihasarotra noho izany ny fiainana ara-tsosialy na eo aza ny serasera samihafa ataon’ny Fanjakana hoenti-maneho, fa tena mandray andraikitra eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-piainana. Ny zava-misy amin’ny ankampobeny anefa, tsy tena mahomby, ary tsy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka amin’ny ankampobeny ny vahaolan’ny Fanjakana. Mirona betsaka any amin’ny fanafarana entana, mampanantena lava,… fa ny vokatra mbola tsy tena azo tsapain-tànana. Tsy mety voafehin’ny fitondrana ny lafiny toekarena sy sosialy, izay miha mijotso hatrany ankehitriny. Miezaka misintona ny saim-bahoaka any anaty sehoseho sy fetifety, fitokanan-javatra,… Any amin’ny resaka fotodrafitrasa no hiezahana hisintonana saim-bahoaka, hatao ho tandindon’ny Fanjakana sy ny Filoha. Tsy ratsy ireny ary ilaina, saingy ny fahaiza-mitantana sy ny fampandrosoana, dia afaka mampifandrindra ny lafin-javatra rehetra ara-tsosialy, politika, toekarena,… mba tsy ho lasa haingo ambony tsikoko hoe: ny Fanjakana miezaka mandoka tena amina zavatra iray mety mamirapiratra na miteronterona, fa ny valalabemandry miaina anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.