Midangana ny vidim-piainana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Tototry ny olana ny fitondram-panjakana, ka toa fitantanana krizy sisa no misy fa izay drafitra sy programam-panjakana hialana amin’ny fahantrana tsy misy.
Rehefa mizara vatsy tsinjo sy tosika fameno ho ana ampahana Malagasy tsy ampy 10% amin’ny vahoaka eto Madagasikara, dia toy ny Mesia mpamaha olana, ka serasera 90% no mameno azy ho 100%¨ Mitaraina ny any Antsiranana vidiana 1000Ar ny voatabia iray, 6000Ar ny karaoty iray kilao, 1000Ar ny kapoakan’ny vary gasy, ary 1200Ar kosa ny vary Madamo Rose izay sokajiana ho tena tsara kalitao. Any Mananara Avaratra aza moa voalaza fa 8 000Ar ny kilaon’ny karaoty, 10 000Ar ny ovy, tsy misy vary gasy fa “stock tampon” no betsaka, arina fandrehitra tapa-gony 30 000Ar,… Tahaka izany no iainan’ny Malagasy. Ekena fa misy kizarazara sy ny kimoramora, saingy tsy mahavaha olana. Ny zava-drehetra mihitsy no midangana, ny fahefa-mividin’ny olona mitotongana, ny toekarena miha milentika hatrany,… Mety mihevitra ny tenany ho miasa sy tena manao ny Fanjakana, manao serasera mafy ho manavotra vahoaka amin’ny vahaolana tsy mahavita taona. Tena io paikady sy fomba fiasa amin’ny fitezana vahoaka amin’ny kitolototra sy kimoramora niainga tany amin’ny tetezamita io ve no vahaolan’ny firenena Mbola hionona sy hirehareha amin’ny an-kanafatra fa tsy hiezaka hamokatra sy hanodina ato anatiny Tsy lavina ny fisian’ny fivoizana ny hanangana sy hanorina fotodrafitrasa orinasa goavana eto, raha tsy hilaza afatsy ny fanaovana simenitra, saingy efa 12 taona angamba izay ny fampanantenana. Nireharehana ny nitokana orinasana karana mpamokatra lafarinina tany Toamasina ny faramparan’ny taona 2020 nilazana fa hampidina 15% ny vidin’ny lafarinina eto Madagasikara saingy mbola tsy tsapa ny vokany,… Nohamaivanina ny fambolem-bary fa namporisihina namboly artemesia ny olona satria lafo vidy ireny ka mby aiza ny vokany sy ny mangarahara momba ilay orinasa natsangana hanodina io akora io
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.