VIDIM-PIAINANA

1.600.000 Ar isam-bolana vao ampy olona 4 mianaka


  • Alarobia 19 Febroary 2025

1.600.000 Ar eo ho eo ny lela-vola tokony ho eo am-pelatanan’ny ankohonana iray misy

olona 4 isam-bolana raha kely ho fampandehanana ny fiainana. 25.000 Ar no hampiasaina isan’andro mba hividianana sakafo, raha araka ny resadresaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray. Dimy kapoaka sy tapany ny fotsim-bary tsy maintsy vidiana isan’andro. Iray kapoaka sy tapany handroana amin’ny maraina, 2 kapoaka amin’ny atoandro raha 2 kapoaka ihany koa amin’ny hariva. Banga 5.500 Ar ny vola amin’izay raha hividianana menaka sy anana ary saribao kosa ny 4.500 Ar. Ny 15.000 Ar ambiny indray hividianana hena fahefany ny 5.000 Ar. Hataon’ny Ray aman-dReny saran-dalana mandroso sy miverina ny 5.000 Ar raha hividianan’ny ankizy ody ambavafo sy hataony saran-dalana mandroso sy miverina mankany an-tsekoly kosa ny 5.000 Ar. Manome 750.000 Ar isam-bolana io kajikajy tsotsotra. 100.000 Ar indray hatokana mba hividianana fanafody sy entina mandeha dokotera raha sanatria misy tojo tsy fahasalamana. Ny 100.000 Ar hividianana karazana kojakoja toy ny fanamian’ny mpianatra any an-tsekoly raha misy fety tampoka, ny sceau mety vaky ao an-tokantrano…Ny 100.000 Ar indray tsinjaraina mandritra ny 4 herinandro mba hanaovana sakafo miavaka rehefa faran’ny herinandro ohatra…Ezahina hatao solika ho an’ny fiara na moto kosa ny 150.000 Ar raha manana miampy ny fanamboarana madinidinika tsy maintsy hatao. Ny 400.000 Ar ambiny kosa handoavana hofantranon’olona 200.000 Ar raha hofan-jiro sy ranon’ny JIRAMA ny 100.000 Ar. Handoavana ny saram-pianaran’ny mpianatra ny 100.000 Ar. Nambaran’ity Renim-pianakaviana ity moa fa mbola tena mihafy izany mandany 1.600.000 Ar izany amin’ny ankapobeny ho an’olona 4 mianaka.
Pati
Legende : Tsy ampy amin’ny fampandehanana ny fiainan-dRamalagasy amin’ny andavanandro ny vola hitany sy ny karama raisiny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT