Sosialy

Vidim-borona Tafakatra 150.000 Ar ny vorontsiloza lahy lehibe iray


  • Talata 22 Desambra 2020

Andro vitsivitsy sisa dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy isika.

 

 

Ankoatra ny fitafiana sy ny kilalao ho an’ny ankizy dia tsy afa-misaraka amin’izany ny akoho amam-borona izay efa midangana tokoa ny vidiny eny an-tsena. Ho an’ny vorontsiloza lahy lehibe iray mantsy dia efa tafakatra 150.000 Ar ny vidiny raha 100.000 Ar kosa ny vorontsiloza vavy iray antonony. Ho an’ny gisa indray dia manomboka amin’ny 80.000 Ar izany raha 40.000 Ar ny gana. Manomboka amin’ny 26.000 Ar kosa ny akoho miankina amin’ny habeny. Na izany aza anefa dia nambaran’ireo mpivarotra fa mbola maina ny tsena hatreto. Manomboka amin’ny alarobia any ho any vao manantena tsena tsara izy ireo, hitohy hatrany amin’ny Alahadin’ny taom-baovao. Mikasika ny fitafiana sy ny kilalao kosa dia efa betsaka ihany ireo mpividy amin’izao. Na izany aza ny an’ny ankizy no tena mandeha. Ho an’ny kilalao ohatra dia saika manodidina ny 20.000 Ar ka hatramin’ny 30.000 Ar eo ho eo no tena zakan’ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano raha toraka izay ihany koa ny vola natokana hividiana fitafiana ho an’ny ankizy iray.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT