Sosialy

Vidim-borona ankatoky ny fety Efa ho 120.000 Ar ny vorontsiloza iray


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Andro vitsy sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika. Ankoatra ny kilalao hamalifaliana ny ankizy dia tsy afa-misaraka amin’izany ny sakafo matsiro toy ny akoho amam-borona izay marihina fa efa tena midangana tokoa ny vidiny eny an-tsena amin’izao.

 

 

 

 

Tafakatra 120.000 Ar mantsy ny vidin’ny vorontsiloza lahy iray milanja 5 kg eny Isotry raha 50.000 Ar kosa ny gisa. Manomboka amin’ny 35.000 Ar kosa no hanombanan’ireo mpivarotra ny gana sy ny akoho matavy iray raha 20.000 Ar ireo salantsalany. Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola tena maina ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa. Ny mpanontany no betsaka hoy  ireo mpivarotra ka amin’ity faran’ny herinandro ity sisa no hany fanantenan’izy ireo  ny amin’ny fetin’ny Krismasy.  Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany moa dia hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidin’ny vorona ka anisan’ireny ny haratsian-dalana nateraky ny ranon’orana any ambanivohitra sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika tsy miato tato ho ato. Ho an’ireo mankafy ny akoho fakana nofony kosa na ireo vorana efa vaovolo mandeha amin’ny kilao dia manomboka amin’ny 12.000  Ar ny iray kilao amin’izy ireny. Raha mividy vorona iray na akoho iray kosa saingy ilay mamolo azy no olana dia efa misy ihany koa ireo  mikarama rano fotsiny manao izany. Manomboka amin’ny 1500 Ar ny karaman’ireo mpamolo, asa  vita ao anatin’ny 15 minitra raha ela indrindra.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT