Sosialy

Vidim-bary niakatra Mampikaikaika ny tokantrano maro


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Manomboka mimonomonona ny Malagasy ny amin’ny fiakaran’ny vidim-bary amin’izao fotoana izao.

 

 

Nahitana fiakarana 50 hatramin’ny 100 Ariary ny kapoakan’ny vary tato ho ato. Lasa 600Ariary ny kapoakan’ny vary Manalalondo raha 550 Ariary teo aloha. Tafakatra 2.000Ar ny kilaon’ny vary makalioka raha 1.850 Ar teo aloha. Mazava ho azy fa mihena ny vary lafo eny amin’ny mpivarotra atsinjarany eny hatrany amin’ny hotely aza. Mizaka ny tsy eran’ny aina ireo maro anaka ary misakafo tapakibo ny maro. Nanambara Ramatoa Nantenaina izay efa zatra mihinana vary eny amin’ireny trano fisakafoanana ireny fa tokony hojeren’ny fanjakana haingana ity vidim-bary miakatra ity satria tena niakatra be araka ny nambarany ny vidin’ny sakafo ao amin’ny falehany. Nanambara anefa ny mpivarotra eny amin’ny ambongadiny fa any amin’ny faran’ny taona any mihitsy vao mety hisy ny fidinan’ny vidim-bary.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT