VIDIM-BARY ENY AN-TSENA

Tsy mitsaha-miakatra, misy efa 3.500 Ar


  • Zoma 13 Oktobra 2023

Mety ho tafakatra 4.000 Ar ny iray kilao amin’ny fotsim-bary eny an-tsena mandritra ny fotoanan’ny maitso ahitra,

raha mitohy izao fidangan’ny vidiny isan’andro izao. Efa misy mahatratra 3.500 Ar ny iray kilao amin’izao toy ny makalioka, ny tsipala fotsy, ny vary gasy. Hamidin’ny mpivarotra 1.000 Ar ny iray kapoaka raha 950 Ar kosa ny riz de luxe sy ny madrigal. Havoakany 130.000 Ar kosa ny iray gony milanja 50 kg ho an’ireto farany. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpambongady iray tetsy Anosibe dia nambarany fa hatrany am-potony mihitsy no miakatra ny vidim-bary. Vokatry ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara no nambarany fa antony voalohany mahatonga. Faharoa koa anefa dia nambarany fa mahasorena ireo tantsaha mpamokatra ny fitobahan’ny vary vahiny eto amintsika. Miakatra ho azy ny vidin’ireo vary vokarina eto an-toerana hoy hatrany izy vokatr’izany, tranga nohamafisin’ireo mpahay toe-karena maromaro. Mampihena ny lanjan’ny vola gasy ny fanafarana vary marobe avy any ivelany eo amin’ny MID hoy ireto farany. Vahaolana hitan’ireo mpivarotra fa hampihena ny vidim-bary araka izany ny fampihenana ny vary hafarana sy ny fanomezana tosika ireo tantsaha mpamokatra. Vatsiana fitaovana sy masomboly ireto farany ary omena fiofanana ihany koa. Tsy adino mandritra izany ny fanamboarana ireo lalana mankany amin’ireo toerana tena mpamoka-bary mba hialana amin’ny fanararaotana mety hataon’ny sasany. Tsiahivina fa indray mandeha tokana ihany sisa no mihinam-bary ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy amin’izao vokatr’izay fidangan’ny vidim-piainana izay. Ny ankoatra izay dia vitan’ny kompoze sy ny kafe sy mofo sisa na tsy mihinana mihitsy aza indraindray.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fidangan’ny vidim-bary eny an-tsena amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT