VIDIM-BARY ENY AN-TSENA

Niakatra 20% hatramin’ny volana desambra


  • Talata 07 Janoary 2025

Niakatra 20% hatramin’ny volana Desambra taona 2024 no mankaty ny vidim-bary

eny an-tsena raha araka ny fanadihadiana natao. Nahitana io fiakarana io avokoa ireo karazam-bary rehetra misy toy ny tsipala, ny vary gasy mena, ny vary riz de luxe, ny stock….Ho an’ny vary tsipala ohatra raha mbola 3.000 Ar ny iray kilao tamin’ny faran’ny volana Novambra tany ho any dia efa mahatratra 3.350 Ar amin’izao. Lasa 3.500 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny vary gasy raha 3.200 Ar teo aloha. Efa tafakatra 180.000 Ar koa ny iray gony amin’ny vary makalioka raha 170.000 Ar teo aloha….Nihenabe ny fanjifan’ny Malagasy ny vary vokatr’izany. Ho an’ireo mbola hivarotra dia tapa-gony sisa no fatram-bary alain’izy ireny hoy ny mpambongady iray ka rehefa lany tanteraka izany vao maka indray. Ho an’ny isan-tokantrano kosa indray raha mba nahavidy 10 kapoaka isan’andro ny sasany teo aloha dia nidina ho 5 kapoaka izany sisa ankehitriny. Tsy natao hahavoky intsony ny vary noho izany ho an-dRamalagasy na dia foto-tsakafo aza fa fitazomana aina sisa. Vokatry ny fahasahiranan’ny Malagasy avokoa no antony mahatonga izany. Isika rahateo vao manomboka miditra ato anatin’ny maitso ahitra tanteraka, taorian’ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao.
Pati
Legende : Efa 4.000 Ar amin’izao ny kilaom-bary eny an-tsena an !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT