Sosialy

Vidim-bary eny an-tsena Nahitana fihenany ny eny Anosibe


  • Zoma 19 Janoary 2018

Nahitana fihenany ny vidim-bary eny an-tsena taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA. Anisan’izany ny eny amin’ny tsenan’Anosibe izay misy ireo mpivarotra mpambongady marobe.

 

Raha efa nahatratra 175.000 Ar ny iray gony tamin’ireo vary gasy avy any Manalalondo teo aloha dia efa nihena 155.000 Ar ankehitriny. Noho ny fahamainan’ny andro, ka nahafahan’ireo mpamokatra any ambanivolo nanahy vary no nampidina io vidim-bary io. Tsy latsa-danja amin’izay ny fitohizan’ireo lalana tapaka maro isan-karazany. Efa saika mahatonga vary eny Anosibe avokoa ireo faritra maro manerana  ny Nosy raha ny fanazavana hatrany. Ho an’ireo karazam-bary nohafarana indray dia nidina ho 73.000 Ar ny iray gony raha 75.000 Ar teo aloha, 1460 Ar ny iray kilao ka mampitaraina fatratra ireo mpambongady. Mbola mampametra-panontaniana ny maro anefa ny fidangan’ny vidim-bary eny amin’ireo tsena madinika na ny épicerie satria dia mbola misy mahatratra 730 Ar ny iray kapoaka toy ny makalioka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT