Sosialy

Vidim-bary eny an-tsena Atosika ho lasa 5000 Ariary ny kilao ?


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

3600 Ariary ankehitriny ny vidin’ny kilaon’ny vary eny an-tsena raha mora indrindra. Mikaikaika ireo mpanjifa, izay vao nanamarika ny andro iraisampirenena natokana ho azy, andro vitsy lasa izay.

Nozahana moa tamin’ireny fotoana ireny izay nalehan’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa saingy sady mandray finday no tsy nahenoana fanehoan-kevitra firy, indrindra, mikasika ity vidim-bary hita ho miakatra isan’alina ity. Hita ho misy mihazakazaka hivarotra 5000 Ariary ny kilaom-bary mihitsy ankehitriny ireo mpivarotra eny an-tsaina. Tsy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ihany no ombay mitady fa aiza ihany koa ny fandraisan’andraikitry ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana manoloana ireo endrika fanararaotana maro? Taiza ny minisitra no tsy hita nandritry ny fanamarihana ny andron’ny mpanjifa natao tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT