Tena mampitaraina ny isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra nanomboka tamin’ity herinandro ity.
Mahatratra 200 Ar isaky ny kilao mantsy izany ka raha ho an’ny vary gasy ohatra dia lasa 2100 Ar ny vidin’ny iray kilao ankehitriny raha 1900 Ar teo aloha.Tafakatra 2200 Ar kosa ny iray kilao amin’ny vary makalioka, raha 2000 Ar teo aloha. Eo amin’ny 50 Ar isaky ny kapoaka kosa ny fiakarana raha mividy amin’ny kapoaka. Ho an’ny makalioka ohatra dia lasa 660 Ar izany raha 610 Ar teo aloha…. Ankoatra ny vary dia nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny menaka, ny siramamy, ny savony… Raha ny araka ny fanadihadiana natao dia vokatry ny haratsian’ny lalana nateraky ny ranon’orana no nahatonga izany fiakarana izany efa ho iray volana izao hoy ny mpambongady iray etsy Anosibe. Na izany aza anefa dia misy ihany koa ny fanararaotana hataon’ireto farany sy ny mpaninjara, indrindra nanomboka ny Alatsinainy teo noho ny fisian’ilay aretina Covid-19 izay efa mananontanona an’i Madagasikara. Tsy vitsy tamin’ireo mpanam-bola mantsy no efa nanararaotra nividy vary… sao sanatria tsy misy tampoka izany ka nanararaotra nampiakatra ny vidin’entana ny sasany. Ho an’ireo tsy mba manan-kividianana hangonina kosa fa miantehitra amin’izay hita isan’andro dia nambaran’ireo mpivarotra fa nihena ny vary vidian’izy ireo. Raha dimy kapoaka ohatra no fividin’ny tokantrano iray teo aloha dia nihena ho efatra kapoaka izany sisa noho ny fiakaran’ny vidiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.