VIDIM-BARY AO ANKAZOBE

Midangana nefa miaka-bokatra


  • Talata 26 Martsa 2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Tafakatra 1.100 Ar ny iray kapoaka amin’ny riz de lux, 900 Ar ny stock, 900 Ar ny semence, 950 Ar avy ny kapoakan’ny dista sy ny vary gasy bota raha 850 Ar ny vary gasy tsotra. Raha araka ny vaovao azo anefa dia tena miaka-bokatra Ankazobe ankehitriny. Nahavita 7 taona isaky ny ha ny tantsaha mpamokatra iray. Somary mahavariana ihany araka izany ity fidangan’ny vidim-bary any an-toerana ity. Ireo tsy namboly moa amin’ny ankapobeny no tena lasibatra ka velon-taraina fatratra. Raha araka ny vaovao azo hatrany dia mihena ny vary lafon’ireo mpivarotra any an-toerana vokatr’izany. Raha mbola nahavidy 10 kapoaka isan’andro ny fianakaviana iray teo aloha dia lasa 5 kapoaka sisa ankehitriny ka fenoina amin’ny hanin-kotrana toy ny vomanga sy mangahazo sisa izany.
Pati
Legende : Toy ny toerana tsy misy vary miakatra ihany ny vidim-bary ao Ankazobe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT