VEHIVAVY TANTSAHA ETO AMINTSIKA

Mbola betsaka ireo olana sedrainy


  • Alarobia 16 Oktobra 2024

Tantsaha miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra avokoa ny 70%-n’ny mponina eto Madagasikara.

Tafiditra ao anatin’izany ny vehivavy izay fantatra fa misedra olana maro tokoa amin’izao fotoana. Ankoatra ny tsy fisian’ny fiofanana omena azy ireny mantsy dia tsy mitsaha-miaka-bidy koa ireo masomboly sy zezika hamidy eny an-tsena. Vato misakana tsy hahafahan’izy ireo mandroso amin’ny asa fihariany avokoa izany rehetra izany arahin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana. Nankalazaina omaly Talata 15 Oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy miaina eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Tao Talata no nanatanterahana ny lanonana mifandraika amin’izany izay nokarakarain'ny Fitaleavamparitry ny fambolena sy fiompiana Analamanga, niaraka tamin'ireo mpiara-miasa aminy sy ny FIkambanana FAmpivoarana TAntsaha na ny FIFATA. Tsiahivina fa nisy ny fampirantiana maro samihafa nandritra izany narahin’ny fizarana fitaovam-pambolena , karatra ho an'ireo mpamokatra purpa, fampirantiana nahandro, sy ny ady hevitra mahakasika ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy sy ny agroekologika, fambolena mifanaraka amin’ireo karazana toetr’andro misy.
Pati
Legende : Nandritra ny hetsika notanterahina omaly tany Talata Volonondry !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT