Sosialy

Vehivavy sembana ao amin’ny AFHAM Mitety faritra manao seho hanoherana ny herisetra


  • Talata 30 Aprily 2019

Ny 80 %-n’ireo vehivavy manana fahasembanana, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny “Association des femmes handicapées de Madagascar”, tarihin-dRazafinjato Fela dia miaina anaty herisetra avokoa.

 

 


Ny herisetra ara-môraly no tena betsaka toy ny fanilikilihan’ny manodidina sy ny vava avoakany amin’ny alalan’ny famoronana ireo anaram-petaka toy ny ikala tapa-tanana, ikala malemy …Betsaka koa ireo misedra olana amin’ny lafiny ara-pitiavana. Saika filan-dratsy daholo fotsiny mantsy no hiarahan’ny lehilahy sasany amin’izy ireny fa tsy misy fitiavana, hany ka mitondra vohoka tsy fidiny ny ankamaroany ary voatery mamelona samy irery ny zanany. Mba hahafahan’ireo vehivavy manana fahasembanana miaina amim-pitoniana eny anivon’ny fiarahamonina ary dia nisy ny seho hanoherana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sembana natao tany Mahitsy ny faran’ny herinandro teo. Tetikasa tanterahin’ny AFHAM mandritra ny enim-bolana izy io, vatsian’ny XOEESE vola, izay manana ny foiben-toerany any Togo manampy ireo firenena miteny Frantsay aty Afrika. Tantara an-tsehatra nanehoana fa mitovy amin’ny rehetra ihany ny vehivavy manana fahasembanana ary mahavita be aza no nentina nanehoana izany narahina dihy niarahana tamin’ny Afha’dihy, izay hivondronan’ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Afham. Any amin’ny kaominina Talatavolonondry indray no hanatanterahan’izy ireo ny hetsika manaraka rahampitso alarobia.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT