VEHIVAVY NITERAKA ROA,

NISARAHIN’NY VADINY Tojo lahiantitra, tratry ny olana hafa koa, mila vonjy,…


  • Zoma 08 Desambra 2023

Noraisin’i Vaney's Harinomenjanahary,vady navelan'ny depiote Jao Jean

ny fampodiana ilay vehivavy 19taona‚ manan-janaka roa nila vonjy rehefa nisarahan’ny vadiny. Raha tsiahivina kely ny tantara dia dimy volana izay no nahatongavany tao Antsohihy niaraka tamin’ny vadiny. Nisarahan’ny vadiny anefa izy fotoana vitsy taorian’izany. Efa 03 volana izao no nisarahan’izy sy ilay rangahy raha avy any Manakara ity farany. Nitady vola‚ nivarotra mofo ( mampoèsa ) ary nitokan-trano izy saingy tsy nahavita sakafon-jaza sy hofan-trano ny vola azo ka tapa-kevitra ity farany hody aty Antananarivo. Nandefa vola anefa ny fianakaviany avy aty Antananarivo fa nataon'izy ireo anaty kaontin’ilay vadiny ka tsy azo hatramin’izao. Tojo lahy antitra ihany koa heverina mba hiantra ka nipetraka tao izy 3 mianaka kinanjo norahonany ho roahina koa rehefa tsy nety niaraka taminy. Lany hevitra tanteraka izy ireo ankehitriny ka mila vonjy na saran-dalana hodiana aty Antananarivo fa na ny vola hatao sakafo aza tsy misy. Nihaona tamin'ny mpanao gazety izy ireo omaly nitantara ny manjohy azy. Ny laharam-pinday 0349691283 moa no hahafahana mandefa fanampiana ho azy 03 mianaka ireto. Feno herintaona tamin'ny Alahady 02 Desambra lasa teo ny zaza iray raha 04 taona kosa iray.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy sy ilay zanany vao 02 taona monja !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT