Sosialy

Vehivavy mpisoloky Nahatratra 65 tapitrisa Ar ny vola efa naodiny


  • Zoma 11 Jona 2021

Tsy latsaky ny 15 isa ny fitoriana azon'ny polisy mahakasika ity vehivavy malaza amin’ny fisolokiana hitantsika amin’ny sary ity.

 

 

 Mandresy lahatra olona hampindrana vola azy ka hampitomboany avo roa heny no fika hampiasainy rehefa tonga ny fotoana hamerenany azy. Maro ny olona resy lahatra ka misy amin'ireo olona nampindram-bola no tafaverina ny volany ary nahazo tombony tokoa. Tamana noho izany ireo olona ireo ka notakiany vola betsabetsaka indray hampiasaina indary ary nanome tsy am-pisalasalana. Milaza ihany koa izy fa manana tetik'asa ho fanampiana ny tantsaha ka miresaka amin'ireo olona vonona hampiasa vola indray fa haveriny avo roa heny. Maro ihany koa ny tafaroboka nanome vola azy. Misy hatrany amin'ny 65 tapitrisa Ar ny lela-vola nosamboriny tamin'ireo olona efa nosolokiany.Ireny vola nosamboriny ireny ihany no hamerenany ireo vola nalainy tany an-kafa entiny manome toky ilay mpampindram-bola . Fitaka avokoa anefa izany fa rehefa manome vola indray ilay olona ka rehefa tonga ny fotoana tokony hamerenana izany dia harirarirany ary manjavona tsy hita intsony izy avy eo. Ny 01 jona lasa teo moa ity vehivavy ity no voatazona tao amin'ny Polisy misahana heloka bevava ka nidoboka eny Antanimora vonjimaika.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT