Sosialy

Vehivavy mpandraharaha ao Boeny Hiara-kiasa amin’ny banky BNI


  • Alarobia 04 Septambra 2019

Hiara-kiasa amin’ireo vehivavy mpandraharaha ao Boeny ny banky BNI Madagascar.

 

 

 

 

Tanjon’izy ireo ny hanampiana sy hanohanana ireo vehivavy mpandraharaha any an-toerana hahafahan’izy ireo miroso bebe kokoa amin’ny asa fihariana tontosainy. Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fihaonan’Atoa Alexandre Mey tale jeneralin’ny banky BNI tamin’izy ireo nahafahana nijery  ny hetahetany. Ankoatra ireo vehivavy mpandraharaha dia nihaona mivantana tamin’ny profesora  Hery Lisy Tiana Ranarijaona, filoha lefitra misahana ny fiaraha-miasa sy ny fikarohana eo anivon’ny oniversiten’i Mahajanga ihany koa ity tale jeneralin’ny banky BNI ity.  Nisy mihitsy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta izay manana tanjona hanampy ireo mpampianatra, mpandraharaha ary mpianatry ny oniversite  tsy mbola manana kaonty any amin’ny banky. Toraka izany koa ny fahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ireo karazana tolotra omen’ny banky entina hanatsarana ny fiainana amin’ny andavandro.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT