Sosialy

VEHIVAVY MANANA FAHASEMBANANA Mbola ailiky ny fiarahamonina hatrany


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Maro amin’ireo vehivavy manana fahasembanana no mbola ailiky ny fiarahamonina hatreto, indrindra fa eo amin’ny resaka asa.

 

Tsaraina hatrany mantsy izy ireny fa tsy mahavita ny vitan’ny olona manana vatana ara-dalàna na dia marobe aza ireo manampahaizana sy manana ny maha izy azy. Manoloana io tranga io dia nanatanteraka atrikasa tany Mahajanga ny faran’ny herinandro teo ny fikambanam-behivavy AFHAM ( Association des Femmes Handicapées de Madagascar) notarihin’ny filoha nasionaliny Razafinjato Fela. Nambaran’ity farany fa mitovy amin’ny olon-drehetra ihany ny olona manana fahasembanana. Miezaka hatrany ny AFHAM manome fiofanana azy ireny. Ho an’i Mahajanga manokana dia mahatratra 54 ireo vehivavy manana fahasembanana mpikambana ao amin’izy ireo izay tohanany. Miantso ny rehetra araka izany ny AFHAM mba hifanome tanana amin’izy ireo, hisian’ny fiaraha-monina mirindra sy hampandrosoana ny firenena.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT