Sosialy

Vehivavy Malagasy niasa tany Koweit Misy voadaroka, voaolana, lasa marary saina…


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Nigadona an-tanindrazana ny sabotsy folakandro lasa teo teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ireo vehivavy Malagasy niasa tany

 

 

Koweit niharan’ny antsojay sy ny fampijaliana nataon’ny mpampiasa azy tany an-toerana. 46 mirahavavy izy ireo no tonga soa aman-tsara, andiany voalohany raha mbola misy 76 mirahavavy ireo tavela any an-toerana. Raha araka ny fantatra dia ny 12 tamin’ireo 46 isa ireo no nanana olana ara-pahasalamana, ny roa bevohoka, ny iray naolana nandritra ny fotoana nanagadrana azy raha naolana tompon’andraikitra iray eo anivon’ny agence de placement nandefa azy kosa ny iray. Ny telo manana olana any amin’ny saina ( état depressif), ny dimy manana olana any amin’ny taovam-pisefoana… Avy hatrany dia nozahana ara-pahasalamana avokoa mantsy izy ireo raha vao tonga teto an-tanindrazana. Nambaran’izy ireo fa tena mafy ny olana nosedrainy tany Koweit ka nahatonga azy hitaraina tamin’ny filoham-pirenena. Misy amin’ireo mpampiasa mantsy no manao maloto ao an-trano ka tsy maintsy fafana. Tsy matory andro aman’alina ihany koa ireo mpiasa Malagasy fa miasa hatrany ka misy ireo tsindrona zava-mahadomelina mihitsy. Olana rahateo ny tsy fisian’ny masoivoho Malagasy miasa any an-toerana sy ny tsy fitovian’ny fomba fitenenana ka miteraka disadisa eo amin’ny roa tonta. Tamin’ny alalan’ny facebook sy agence de placement tsy ara-dalàna moa no nahafahan’izy ireo nivoaka ny tanindrazana. Alefa hody any amin’ny fianakaviany hatrany izy ireo ary hojeren’ny filoha ankehitriny ny asa tokony homena azy hivelomany.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT