Sosialy

Vehivavy Malagasy miasa any Koweit Tapitra anio ny fe-potoana ...


  • Zoma 22 Mey 2020

Tapitra anio zoma 22 mey ny fe-potoana hahafahan’ireo vehivavy Malagasy miasa any Koweit mijanona any an-toerana.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia miisa 200 izy ireo ary efa any amin’ny centre d’acceuil no mipetraka mitomany sy midradradradra mampita vaovao amin’ireo fianakaviany. Raha araka ny lohanaranom-baovao hatrany dia efa 3 volana izy ireo izao no tsy nandray karama intsony. Mafy ihany koa ny fahasahirana noho izany. Ho ana tovovavy iray nitaraina tamin-dReniny tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia dia efa 7 taona izy no niasa an-trano tany Koweit. Somary ratsiratsy toetra anefa ny mpampiasa azy ka tsy mba afaka namojy fodiana mihitsy izy tao anatin’izay fotoana lavabe izay. Tamin’ny volana Janoary teo no efa saika nody izy araka izany saingy nolazain’ilay mpampiasa azy fa mbola misy fety hataon’izy ireo ny volana Febroary ka tsy navelany namonjy fodiana indray ny tovovavy. Rehefa nigadona anefa ny volana martsa dia tonga indray Covid 19 hany ka tsy mety tonga eto an-tanindrazana mihitsy ity tovovavy iray ity. Mbola mamerina manao antso avo hatrany amin’ny fanjakana araka izany ity tovovavy ity sy ireo namany mba hahafahan’izy ireo mody soa aman-tsara eto an-tanindrazana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT