60.000 Ar isam-bolana amin’izao raha kely ny mametraka zaza eny amin’ny akany na ny “ crèche”.
Ankoatra io dia mbola hiantohana ihany koa ny couche sy ny rononon’ilay zaza. Tafakatra 100.000 Ar ho an’ireo ray aman-dreny tsy te-hiala vola am-paosy intsony. Betsaka anefa ireo tsy manana fahafahana ho amin’izany. Noho ny fisondrotry ny vidim-piainana andro aman’alina mantsy dia tafidi-trosa aza ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy ka aleon’ny ankamaroan’ny reny mitondra ny zanany miasa. Ho ana renim-pianakaviana iray sendra anay dia amin’ny 5 ora sy sasany maraina izy mianaka dia efa tsy maintsy miala ao an-tokantrano isan’andro manenjika amin’ny 8 ora any amin’ny orinasa hiasany. Mitazona botika no andraikiny ka sady manara-maso ilay zanany kely vao dimy volana izy izay hampatoriana anaty berceau kely no mandray ireo mpividy. Mahatsiaro reraka izy mianaka saingy tsy maintsy atrehina. Tsy afaka mamokatra tsara anefa ny vehivavy tahaka izany amin’ny ankapobeny, hany ka reraka ihany koa ny orinasa. Mahatsiaro reraka ihany koa ilay zaza entina isan’andro izay marihina fa lasa matoritory ny sainy rehefa any aoriana any. Maika ny fananganana akaninjaza eto amintsika toy ny tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Atoa Didier Ratsiraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.