Sosialy

Vehivavy Malagasy hivoaka any ivelany Tsy voarara saingy misy fepetra maro takiana kosa


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2019

Niteraka resabe teto amintsika ny faran’ny herinandro teo ny fisiana vaovao diso izay nilaza fa tsy azon’ny vehivavy irery hatao intsony ny mivoaka any ivelan’i Madagasikara raha tsy nahazoany alalana avy amin’ny vadiny.

 

 

Nitondra fanamarihana mikasika izany ny polisim-pirenena eo anivon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka ny faran’ny herinandro teo ka nambaran’izy ireo tamin’izany fa noho ny fitarainana maro voarain’izy ireo   momba ny fampijaliana sy ny tsy fanajana ny zon’olombelona mahazo ireo tovovavy na vehivavy miondrana an-tsokosoko miasa any ivelany no nahatonga ny filoham-pirenena handray fepetra tamin’ny fampodiana ireo voakasika, indrindra fa ireo tratry ny asa fanandevozana tany amin’ny tany amin’ireo tany arabo volana vitsy lasa izay. Tsy midika anefa izany fa tsy mahazo mankany ivelany ny vehivavy manambady na tsia iray  saingy ilana fanamariham-pandehanana kosa ( justificatifs de voyage, lettre d’engagement, certificat d’hébergement na reservation d’hôtel, attestation d’inscription ou de bourse d’étudiants ou professionnelle…). Ho an’ireo vehivavy na tovovavy manao andiany na maromaro kosa mikasa hivoaka any ivelany  nefa tsy afaka manamarina mazava ny anton-diany ary tsy afaka manamarina ny ho enti-manany amin’izany dia izay hatao any ivelany izany dia hamafisina ny fitakiana ny fepetra hofenoin’izy ireo vao afaka mandeha izy ireo. Lohalaharana ireo mikasa ny handeha ho any Koweit, Arabie Saoudite, Liban ary Moyen Orient. Nomarihin’ity fanambarana avy amin’ny polisim-pirenena ity moa fa na dia ireo tovovavy sy vehivavy aza no tena lasibatra amin’ireo karazana asa fanandevozana maoderina mitranga any ivelany ankehitriny dia mihatra amin’ireo tovolahy na lehilahy handeha amina toerana mety mampiahiahy ihany koa ireo fepetra ireo.

 

Nilaza ny heviny ny filoha Rajoelina omaly momba ity raharaha ity : izay te hivoaka dia tsy hisy mihitsy famerana, fa izaho dia miaro ny vehivavy voazimbazimba any ivelany. Tsy misy hoe tsy mahazo mivoaka sy tsy mahazo makany. Handefa olona any Koweit satria 100 ny vehivavy lasibatra, ary 50 no efa migadra tsy afaka mivoaka tratry ny antsojay. Tsy zakako intsony herisetra. Raha samy hahantra ihany aleo mahantra eto an-toerana, toy izay hiharitra vono any. Tsy ekena ny famoronana vaovao tsy marina sy tsy mifandraika amin’izay tena izy, hoy hatrany I Andry Rajoelina

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT