Vehivavy malagasy efa nijaly tany amin’ny tany arabo

«Mbola misy te hiverina any»


  • Alatsinainy 08 Jolay 2024

Misedra olana amin’izao fotoana izao i Madagasikara amin’ny ady amin’ny antsoina hoe

famarinana olona» na «traite des êtres humains», raha ny fampahafantarana nataon’ny birao nasionaly misahana izany eto amintsika na ny BNLTEH, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tombana nataon’ny fanjakana amerikanina, izay mijoro ho mpitandro na «gardien» izany ady izany eto amin’izao tontolo izao, dia ao anatin’ny sokajy 2.2 isika ankehitriny amin’io ady io, izany hoe, ahiana hidina ho sokajy 3, raha mbola miha maivana noho ny hita eto amin’ny firenena ankehitriny ny ady atao amin’izany famarinana olona izany. Raha ny tena marina, hoy ny fanazavan’ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ity birao nasionaly ity, Eric Ramahandrisoa, dia tsy azo hijanonana mihoatra ny 2 taona io sokajy 2.2 io saingy nisy ny fifampidinihina tamin-drizareo amerikanina sy ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny amin’ny mba hanomezana fotoana fanampiny an’i Madagasikara hahafahany manamafy izay ady izay eto amintsika, noho ny olana samihafa niseho teto amin’ny firenena. Ny fehezan-dalàna 2014-040, izay nankatoavina ny 20 janoary 2015 moa no mamaritra ny atao hoe «famarinana olona» sy ny famaizana na sazy mifanandrify amin’izay tratra manao izany asa ratsy izany eto amintsika, raha ny fanazavany ihany. Ao Andapa ao amin’izao fotoana izao dia misy mihitsy ny antsoina hoe «Koweït city», izay nahavitan’ireo malagasy nila ravinahitra tany Koweït «villa», izany hoe fonenana tsara tarehy ho an-drizareo na dia nijaly aza izy ireo tany amin’ny tany nilàny ravinahitra tany na koa hoe niharan’izay famarinana olona izay. Misy amin’ireo tratry ny famarinana olona izany nefa, ohatra, no nampivadiana tamin’ny alika na natao ho andevom-pilàna, izany hoe, «esclave sexuelle». Miara-miasa amina minisitera miisa 16, noho izany, ankehitriny ny BNLTEH, hatramin’ny fotoana niorenany ny taona 2018 no ho nankaty, mba hanamafisana izay ady amin’ny famarinana olona izay. Ireo vehivavy izay efa nijaly tany amin’ireo firenena arabo toa an’i Koweït, Libia, Arabia saodita sy firenen-kafa nampihatra taminy izany antsoina hoe famarinana olona izany anefa dia mbola te hiverina any amin’ireo toerana ireo ihany, noho ny fahatsapany fa afaka mihary kokoa na koa mampidi-bola betsaka lavitra izy ireo hahafahany manomboka fiainam-baovao rehefa tonga eto an-tanindrazana na dia nijaly aza tany an-tanin’olona tany. Isan’ny paikady heverin’ny BNLTEH entina hamahana izany olana izany ny fijerena hoe tsy maninona izy ireo na miverina any amin’ireny firenena ireny aza saingy ahoana kosa no atao mba tsy hampijalian’ireo mpampiasa azy any? Vitan’ireo vehivavy ireo mihitsy tsinona no manovaova pasipaoro in-2 na in-3 na mihoatra mihitsy hahafahan-drizareo manatontosa izay fiverenany any amin’ny firenena mamarina olona izay. Vehivavy tsy mahay tenim-pirenena hafa-tsy teny gasy no alefa amin’ny tany arabo. Tsy mahay ny fomba any akory. Isan’ny mametraka olana daholo izany, raha ny fanazavana hatrany, ka antony iantsoan’ity rafitra ity fiaraha-miasa amin’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka mihitsy satria zava-doza no efa mihatra amin’ny firenena ankehitriny. Hatreto, ankoatran’ireo minisitera miisa 16 sy ny fitandroana ny filaminana na OPJ, izay ahitana ny zandarimaria sy polisim-pirenena, dia misy fiarahamonim-pirenena, mpanao gazety, mpisolovava, mpandraharaha, olona avy amina sehatra maro ihany koa no efa miezaka mitondra ny anjara birikin’izy ireo amin’izay ady amin’ny famarinana olona izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT