Misedra olana tanteraka ireo vehivavy Malagasy niasa tany Koweit ary mbola tavela any an-toerana vokatry ny fihidin’ny sisin-tany nateraky ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Covid 19.
Miisa 200 izy ireo izay efa napetraka ao amin’ny “Centre d’acceuil” efa ho iray volana izao. Raha tsiahivina dia tamin’ny 20 mey lasa teo no fe-potoana farany nomen’ny fanjakana koweitiana tsy maintsy nialan’izy ireo tany an-toerana. Tsy mbola afaka nampody azy ireo anefa ny fitondram-panjakana noho ny fiparitahan’ny aretina hany ka mitombo hatrany ny fahasahiranan’izy ireo. Eo an-danin’izay dia tantsambo miisa 700 ihany koa no taraiky tsy afaka mody any amin’ireo fianakaviany fa mievaeva eny ambony ranomasina fotsiny. Misy amin’izy ireo ihany koa no efa tokony namonjy fodiana tamin’ny volana May lasa teo. Voatery nampitombo ny fotoam-piasany araka izany ny sasany ka amin’ny volana Oktobra indray vao mieritreritra ny hamonjy ireo vady aman-janany. Tsiahivina moa fa mahatratra 1254 ireo tera-tany Malagasy tokony hody eto an-tanindrazana amin’izao. Vaovao farany avy amin’ny fanjakana moa ny hafahafantarana fa efa miomana amin’ny fikarakarana ny trano handraisana azy ireo ny fanjakana. Tsy maintsy hahiboka mantsy izy ireo raha vantany vao tonga.
Efa nanambara ny minisitry ny rahaaham-bahiny Malagasy fa tsy maintsy atao fitiliana tsar aaloha any amin’izay tany misy azy ireo Malagasy te hody.Ary rehefa tonga eto an-tanindrazana indray izy ireo dia tsy maintsy ahiboka.Tsy mbola nilaza daty mazava kosa izy ny amin’ny fampodiana an-tanindrazana ireo Malagasy tavela any ivelany
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.